Fanainga ho an’ny sehatry ny fizahantany eto an-toerana ny “Festival des baleines” andiany fahenina teo. Tsara ny tombam-bokatra ary feno avokoa ireo trano fandraisam-bahiny tao amin’ny Nosy Boraha (Ste Marie) nandritra ny herinandro mahery nanaovana ny hetsika. Na izany aza, betsaka ireo hetsika tsy tontosa noho ny haratsin’ny toetr’andro. Anisan’izany ny tolotra andiany faharoa ahitana ireo trozona teny an-dranomasina izay niteraka fahasorenana ho an’ ireo mpizahatany tonga maro nandeha lamasinina. Niezaka nandamina sy nitady vahaolana momba ireo sakana ny mpikarakara saingy voatery najanona ireo hetsika noho io haratsin’ny toetr’andro io hatrany.
Afapo
Tsy nahasakana ny fanentanana sy hetsika samihafa anefa ireo rehetra ireo. Nampihetsi-po sy namaly ny filan’ ny mpanatrika ny tolotra nataon’ireo mpikarakara. Anisan’ izany ny horonantsary sy valandresaka ary fampahafantarana momba ny trozona. Nisy ihany koa lalao niarahana tamin’i Julien Lepers, mpiahy ny “Festival des baleines” hatramin’ny taona 2015. Nisy ihany ny lalao nifarimbonan’ny tanora avy amin’ny fokontany ao amin’ny Nosy Boraha. Ary ny fanentanana nataon’ireo orinasa sy mpandraharaha ao an-toerana toy ny rugby. Samy nahazo loka avy amin’ireo mpikarakara sy mpiara-miombon’antoka avokoa ireo mpandray anjara rehetra.
Henintsoa Hani