Notolorana mari-pankasitrahana ireo tanora mpianatra 12, andiany faha-8 sy faha-9 eo anivon’ny fikambanana Daholo, ny sabotsy lasa teo. Nahavita fiofanana mikasika ny fahaiza-mitarika (Young leaders dirigeants), momba ny fanamboarana savony vita amin’ny zava-maniry izy ireo. Nampiofanina avokoa izy ireo taorian’ny tetikasa niombonana sy niarahan’ny mpianatra, nampitondraina ny lohateny hoe : «Tolotanam-pivoarana». Nizara ny fahalalana ho azy ireo nandritra izany, Rabeson Fara, avy amin’ny fikambanana Daholo, andiany fahasivy.
Niofana nandritra ny intsivy “séances” ary nianatra adiny roa isaky ny sabotsy izy ireo. Taorian’ny fahavitan’ny fiofanana, natolotra azy ireo ny taratasy fanamarinana ny fahombiazana. Tanjona ny hamolavola sy hanatanteraka ny tetikasa iombonana ho tombontsoan’ny mpikambana rehetra eo anivon’ny fikambanana.
Misokatra ho an’ny tanora 17 hatramin’ny 30 taona, manerana ny fokontany maro samihafa, ny fandaharanasa mahakasika ny fahaiza-mitarika, ataon’ny fikambanana Daholo.
Nanomboka nisy ny fikambanana Daholo tamin’ny janoary 2019. Tanjony ny hanampy sy hitarika ny tanora hahaleo tena sy hanana asa hiatrehany ny fiainana. Ankoatra izay, tohanana ara-tsaina ny tanora mba hialana amin’ny fomba fijery eo amin’ny lafiny ara-tsosialy, ara-pivavahana ary ara-poko. Hotanterahina ny sabotsy 1 aogositra izao ny fifantenana ireo mpiofana andiany faha-10, eo anivon’ny fikambanana Daholo.
Mino