Medaly 3 no norombahin’ny Malagasy, teo amin’ny sokajy Junior, ao anatin’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja Judo. Medaly volamena iray sy alimo roa.
Nanomboka ny zoma lasa teo, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja Judo, “Junior” sy “Cadet”. Judokas malagasy tokana niatrika famaranana, teo amin’ny sokajy Junior, Rasoanaivo Razafy Laura, -70 kg, izay nahazo medaly volamena ka voahosotra ho tompondakan’i Afrika. Ilay Egytiana, i Farida no nifanandrina taminy. Ankoatra izay, Malagasy roa no niatrika ny famaranana niadiana ny medaly alimo ka samy nahazo fandresena avokoa. Medaly volamena iray sy alimo roa, arak’izany, no azon’ny Malagasy. Ny sokajy “Juniors par equipe” no hiditra an-tsehatra anio. Hatao rahampitso sy ny alahady 30 jolay izao kosa ny sokajy “Cadet individuel” sy “par équipe”.
Nanjakan’i Afrika Avaratra
Ny sokajy “Juniors” isan-tarika no notontosaina, omaly. Ny mpikatroka avy amin’ny firenena Afrikanina avaratra no tena nanjaka tamin’ity fifaninanana ity. Nitana ny laharana voalohany i Egypta, faharoa i Kameronina ary laharana fahatelo mitovy i Algeria sy i Maraoka. Niady mafy kosa ny Malagasy saingy resy teo am-piadiana ny medaly alimo. Tsy tapitra hatreo fa mbola hitohy amin’ny sokajy «Cadet”, ity fiadiana ny tompondakan’i Afrika, tontosaina eto Madagasikara ity. Hatao anio sabotsy, ny fifaninanana ho an’ny sokajy “Cadet” olon-tokana. Rahampitso alahady kosa no hifarana ny fifaninanana, ka ny sokajy “Cadet” isan-tarika no hamaranana izany.
Tsiahivina, mpikatroka manodidina ny 300 avy amin’ ny firenena 17 no tonga mandray anjara, amin’ity fiadiana ny tompondakan’i Afrika, «Junior” sy “Cadet”, hatao eto Madagasikara ity. Nambaran’ ny filohan’ny federasiona malagasin’ny Judo, Bruno Eric Said, fa avolenta ny fifaninanana ary ambony ny haavo teknikan’ireo vahiny mpifaninana, indrindra ny sokajy “Juniors”.
Mi.Raz