Lalaon’ny Frankofonia : hidona amin’i Tonizia ny Malagasy

Hanomboka anio 29 aogositra ny fifaninanana ho an’ny taranja basikety, ao anatin’ny lalaon’ny Frankofonia, tontosaina any Kinshasa RD Congo, ho an’ny solontena malagasy. Araka ny vaovao, nahitana fiovana ny fizaram-bondrona ho an’i Madagasikara. Hiatrika ny dingana fifanintsanana manoloana an’i Kameronina sy Tonizia ny Ankoay, raha toa ka tao amin’ny vondrona A niaraka tamin’ny RD Congo sy Canada ary Congo Brazzaville no nisy azy ireo, tany am-piandohana. Tsiahivina fa ny taranja basikety, sokajy vehivavy, ihany no hifaninanan’ny Malagasy, i Kameronina no hifanandrina voalohany amin’izy ireo, anio. Hifandona amin’i Tonizia kosa ny Ankoay, rahampitso alahady 30 jolay, ao anatin’ny lalaon’ny fifanintsanana isam-bondrona.

Araka ny efa fantatra, hanainga anio, hihazo ireo namany, ny eo amin’ny taranja Judo, anio. Anisan’ny ao anatin’ny delegasiona, Rasoanaivo Razafy Laura, izay hitondra ny sainam-pirenena malagasy amin’ny lanonam-pamaranan’ity lalao ity. Ny 1 aogositra no hanomboka ny fifaninanana ho an’ny taranja Judo.

Mi.Raz

Partager sur: