Lalaon’ny Frankofonia – Kinshasa 2023 : vonona handrombaka medaly ny Malagasy

Ambohipihaonan’ny mpikatroka fanatanjahantena sy ny kolontsaina i Kinshasa, renivohitry ny Repoblika Demokratikan’i Congo (RDC), amin’izao fotoana izao.

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny an­diany fahasivy amin’ny lalao ho an’ireo firenena mampiasa ampahany na manon­tolo ny teny frantsay, tao amin’ ny Stade des Martyrs, kianja lehibe indrindra eto Kinshasa. Toy ny mahazatra, ny filaharamben’ireo mpandray anjara isaky ny firenena no nanokafana izany. Naneho ny fahavitrihany hiatrika ny lalao, ta­min’ny alalan’ny soradihy tsy nomanina, ny delegasiona malagasy, nahitana ireo mpanao fanatanjahantena sy ireo mpanakanto. “Vonona isika handresy ary hitondra medaly. Efa ireto avokoa ny atleta, afa-tsy ny solontena amin’ny judo, izay tonga rahampitso”, hoy ny nambaran-dRakotozafy Rosa, tale jeneralin’ny Fana­tanjahantena sady lehiben’ny delegasiona. “Handray anjara amina taranja fito isika amin’ ny zavakanto. Efa vonona ihany koa ireo Malagasy mpanakanto tonga eto Kinshasa”, hoy kosa ny tale jeneralin’ny Serasera eo anivon’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolon­tsaina, Rakotondra­soava Fetra. Tsiahivina fa ny taranja “lutte africaine”, “Lutte libre”, “Tennis de table”, judo ary basikety, vehivavy, no handraisan’i Madagasikara anjara amin’ny fanatanjahantena. Ny hira, sokitra, saripika, “jonglerie”, hip hop, hosodoko ary ny literatiora kosa ny eo amin’ny lafiny zavakanto sy kolon­tsaina. Hanomboka anio ny basikety sy ny lutte. Torak’izany koa ny sokajy rehetra amin’ny zavakanto. Tsy hataon’ny delegasiona malagasy sakana ny tsy fahatomombanan’ny fikarakarana sy ny fotodrafi­trasa izay mibaribary aty an-toerana.

Zo ny Aina (iraka manokana any Kinshasa)

Partager sur: