Ho fanatsarana ny fanabeazana fototra, nivory niaraka teto Madagasikara, nandritra ny dimy andro ny tomponandraikitry ny fampianarana malagasy sy avy any Burundi ary Djibouti. Telo amin’ireo firenena sahirana 90 tohanan’ny « Partenariat mondial pour l’éducation (PME) » ireo ka hametraka rafi-pampianarana mahomby ahazoan’ny ankizilahy sy vavy misitraka fanabeazana manana kalitao. Nifampizara traikefa ny telo tonta ka tanjona ny hanova ny rafi-pampianarana ho an’ny dimy taona manaraka miaraka amin’ny manam-pahaizana eo anivon’ny Institut international de la planification de l’éducation (IIEP). Madagasikara rahateo efa an-dalana hampihatra ny fanavaozana ny rafi-pampianarana efa lany teny anivon’ny andrimpanjakana roa mpanao lalàna.
Nojerena manokana ny fanavaozana maika hitondrana ny fanatsarana tao anatin’ny fihaonana ary nozaraina ny traikefa mahomby tany Côte d’Ivoire momba ny fifanarahana fiaraha-miasa ho an’ny fanabeazana azo raisina hatao maodely ho an’ny firenena tsirairay. Nanotrona ny fivoriana ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena malagasy sy ny minisitry ny Fanabeazana avy any Burundi, professeur François Havyarimana.
Vonjy