Mosavy tamin’ny vola : «Notapahako tamin’ny antsibe ny tanako», hoy i Albertho

Nitantara ny nanjo sy ny antony nahatonga azy sahy nanapaka ny tanany havia tamin’ny antsibe tao Antsarakofafa Toamasina, i Albertho. Nilaza izy fa mosavin’olona no nahatonga ny fery tsy nety sitrana teo amin’ny tanany…

Nandritra ny fitsaboana azy tao amin’ny hopitaly manara-penitra ao Morafeno Toamasina no nilazany ny zava-nisy marina, omaly. «Nisy fery efa ho telo herinandro tsy nety sitrana teo amin’ny ankihikeliko havia. Efa nisara-bady anefa aho. Ny vola hitsaboako ny tanako tsy misy. Izaho rahateo tsy afa-miasa satria marary ny tanako», hoy izy nitsotra ny zava-nanjo azy. Tsy nisalasala izy nilaza fa efa tsapany miakatra any amin’ny lohany ny mikraoba tamin’ny fery. Noheveriny fa mety ny fanapahana ny tanany mba tsy hiparitahan’izany, araka ny nambarany hatrany.
Ny talata 25 jolay 2023 teo no nandray fanapahan-kevitra nanapaka ny tanany izy. Tsy nampoizin’ny olona rehetra teo akaikin’ny tsena ny nahita azy nanao izany ankalamanjana. Ny ra nifatsintsitra teny amin’ireo mofo namidin’olona teo amin’ny tsena no nahataitra ny manodidina. Nilaza izy fa tsy aretina toy ny mahazo ny olona maro ny fery teo amin’ny tanany fa aretina vokatry ny mosavin’olona. Nisy fiantraikany teo amin’ny tokantranony izany satria nisaraka izy mivady, araka ny nambarany.
Momba ny fitsaboana azy, nanambara ny mpitsabo ao amin’ny hopitaly manara-penitra fa hatramin’izao aloha, mi­tsabo ny fery izy ireo saingy rehefa sitrana izany dia halefa any amin’ny mpitsabo manokana ny olona marary saina toy ity tovolahy ity. Ahatsa­pana tsy fahatomombanana ara-tsaina izy ka izany no antony nahatonga ny mpitsabo handefa azy ho tsaboina any amin’ ny ivontoerana misahana ny fitsaboana ireo olona marary saina.

Sajo/J.C

Partager sur: