Mozika sy hira : Omen-danja ny kolon­tsaina sy ny haikanto

Nisitraka atrikasa fampianarana mozika sy hira, andiany faharoa, ny rehetra teny anivon’ny boriborintany enina eto Antananarivo, ny alarobia sy zoma teo. Nokarakarain’ny sam­pandraharaha misahana ny haikanto, kolontsaina ary vaky boky ao amin’ny Fitaleavana misahana ny haikanto, kolon­tsaina ary ny fiainam-piarahamonina tarihin-dRavelo­ma­nan­tsoa Elia, eo anivon’ny CUA. Nisitraka izany, ireo sokajin’ olona rehetra (ankizy, tanora ary olon-dehibe). Nahi­tana karazana mozika toy ny piano, guitare basse sy tsotra, saxophone, batterie, violon, mihira ary « éveille musicale » (famohazana talenta). Nandray an-tanana ny fampiofanana ireo mpampianatra matihanina eo anivon’ny Centre académique de musique (CAM), etsy Ankadivato. Naharitra adiny roa hatramin’ny adiny roa sy sasany ny fampianarana ireo mozika tsirairay avy. Hisy ny fampisehoana ataon’ireo mpampia­natra rehetra eny amin’ny Tranompokonolona Isotry, anio, manomboka amin’ny 10 ora maraina. Tanjona ny hanomezan-danja ny kolontsaina sy haikanto ary hanapariahana ny vaky boky.

Mino

Partager sur: