Nohavaozin’ny Orange solidarité Madagascar ny sekoly 10 rava nandritra ny fandalovan’ny rivodoza Batsirai, ny taona 2022, tao amin’ny distrikan’i Manakara sy i Mananjary. Vokatr’izay, afaka manohy fianarana milamina ny mpianatra
4 000 satria afa-miasa indray ireo fotodrafitrasa ireo. Ankoatra izay, lasa sekoly niomerika ny efatra amin’ireo 10 nohavaozina, tetikasa iarahana amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Naverina natsangana mihitsy ny vatantrano ary namboarina ny tafo miaraka amin’ny fametrahana toeram-pidiovana ho an’ny mpianatra. 44 ny efitranon-tsekoly nohatsaraina sy naorina niaraka amin’ny mpiasa 250 sy ny mponina avy eo an-toerana.
Hanatsara ny kalitaon’ny fampianarana ny fidirana amin’ ny fanabeazana niomerika miaraka amin’ny fitaovana sy mpanabe efa voaofana mialoha, hikirakirana ny fitaovana. Nankasitrahana nandritra ny fitokanana ny asa fanavaozana ny mpianatra dimy isanisany tamin’ny sekoly 10 ka nisongadina tamin’ny fanadinam-panjakana CEPE sy BEPC farany teo. Nanotrona ny hetsika ny tale jeneralin’ny Orange Madagascar, Fréderic Deborde sy ny filohan’ny fikambanana Orange solidarité, Arson Benja.
Vonjy