Taranja baolina kitra : hampiroboroboina any anaty klioba ireo taninketsa

Miditra tanteraka ao anatin’ny fotoam-pialantsasatra ny mpianatra amin’izao fotoana izao. Hampifaly sy hanampy amin’ny fitaizana ireo ankizy sy tanora tsy ho variana na hirona amin’ny karazana zavatra mamoafady sy zava-mahadomelina ny klioba misehatra amin’ny fanaovana baolina kitra.

Maro ny klioba na baolina kitra mitsangana eto amin’ny firenena ankehitriny. Entina mitaiza ireo ankizy manoloana ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina izy ireny amin’ny ankapobeny. “Tanjona ny ady amin’ ny fiparitahan’ny rôrô sy ny karazana zava-mahadomelina ary hitaizana ny ankizy hanana toetra mendrika sy handray andraikitra eo anivon’ny tokan­trano ary hanatsarana ny hoavin’ny ankizy”, hoy ny mpanazatra eo anivon’ny Association sportive Fanantenana eny Maibahoaka Talatamaty, Rahe­riniaina Bruce Michel. Man­dranto sy manamafy ny firaisankina eo anivon’ireo klioba tsirairay manerana ny faritra ihany koa ny lalao baolina kitra. “Mila manana fomba fi­­j­ery hanome sehatra sy ham­piroborobo ny taninketsa ny rehetra ary hanana politika maharitra amin’izany raha tiana ny handroso”, hoy hatrany izy. Natao hoan’ny rehetra ny baolina kitra fa tsy natokana ho an’ny sarangan’olona voafantina irery ihany. Tsara hofa­nina hahalala ny kolontsainan’ ny baolina kitra dieny mbola kely ny zaza. Mora sy man­deha hoazy izany rehefa ao anatiny ny fitiavana sy finiavana hanao izany rehefa lehibe. Nilaza izy fa sarotra ny hamolaka sy hanitsy ny olon-dehibe iray. Hita misongadina ny zava-bita sy ny vokatra andrasana rehefa dieny mbola kely izy ireo dia hofanina.
Anisan’ny klioba iray misa­rika ankizy eo anelanelan’ny 11 hatramin’ny 16 taona, ny fileovana ao amin’ny Asso­ciation Sportive Fanantenana etsy Talamaty Maibahoaka. Ahitana “categories” telo hi­vondronan’ireo ankizilahikely ary hitarina amin’ny vehivavy ihany koa izany. Maherin’ny 50 ireo ankizy nandalo sy mivondrona ao anatin’ny tao anatin’ny 30 taona nisiany. Miatrika fifaninana maro samihafa ireo ankizy arakaraky ny taonany. Nilaza izy fa tsara ny fitarihana ny zaza dieny mbola kely, hizotra amin’ny lalana mahasoa ka antony nandri­sika azy ireo hanangana ny klioba. Ahatongavana amin’ izany ny fampidirana azy ireny ao anaty fikambanana filalaovana baolina kitra. “Taranja iray afaka hanofisan’izy ireo ny hoavy mamiratra eo amin’ ny fiainana ihany koa izany”, hoy izy. Mikarakara hetsika fifaninanana matetika ny fi­leovan’izy ireo ary mivelatra amin’ny fifaninana rehetra anatiny sy ivelan’ny faritra misy azy ireo. Anisan’ny takin’ izy ireo ny rafitra sy ny fitan­tanana any amin’ny “section”. Ankoatra izay, hialana ny baolina kitranoantrano, fa anisan’ ny tsy mampivoatra ny bao­lina kitra eto Madagasikara izany, raha ny fanazavany hatrany.

Ampiofanina amin’ny taranja maro

Tsy mahavita mitaiza ny zanaka ao an-trano noho ny fahasahiranana amin’ny asa aman-draharaha ny ankamaroan’ny ray aman-dreny, raha ny zava-misy. Fepetra iray tsy maintsy fehezin’ny ankizy misehatra ao anatin’ny klioba ny fitaizana ara-tsaina sy ara-batana. Tsy vitan’ny mpampio­fana irery anefa izany fa ilaina fanampian’ny ray aman-dreny. Ho azy ireo manokana, maro ny fampiofanana (théorie sy pratique) ny ankizy ao anaty fileovana. Omena tohana ara-tsaina ireo ankizy mba hanaja ny fitsipika mifehy ny lalao. Hampianarina ny fahaiza-miaina sy fahalalam-pomba, hiteny vahiny (Anglais sy Français) izy ireo. Ilaina ny fahaizana miteny vahiny rehefa hilalao any ivelan’ny firenena. Ankoatra izay, hampianarina hifehy ny Kajy sy ny Tantara ary Jeografia.
Anatin’ny ara-tsaina sy ara-pahendrena eo no mampivoatra ny ankizy. Mitaiza ny ankizy tsy hitroatra, mila fantatr’ izy ireo ny fetra. Mampifandray ihany koa ny baolina kitra ary mpifaninana fa tsy mpifahavalo. Tokony hipetraka foana ny “fair play” eny ambony kianja.Tsy tokony hisy ny valifaty, mipe­traka sy hita eny anivon’ny tokantrano izany fahendrena izany. Mila fifikirana, faharetana, mahay mandanjalanja ny fihetseham-po.
Ilaina ny fihinanana sakafo ara-pahasalamana toy ny voankazo (akondro, voasary…). Ilaina be koa ny misotro rano satria mampitombo ny ankizy izany.

Nanatontosa: Mino
(Sary nomena)

Partager sur: