“Samedi de la foundation H”. Tanterahina anio, eny amin’ny Fondation H, Ambatomena, ny atrikasa famoronana ho an’ny olon-dehibe. Ny mahakasika ny fanenomana amin’ny tanana no amin’izany. Hiarahana amin’ny matihanina eo amin’ny sehatry ny tenona no mikarakara ny hetsika, izay tafiditra ao anatin’ny fampiroboroboana ny haikanto sy ny kolontsaina.
Slam national 14. Efa navoakan’ny mpikarakara
ny datin’ny fifantenana isam-paritra hahafantarana
ny solontenan’izy ireo. Hiatrika ny “Slam national” andiany faha-14. Tanàna fito no efa fantatra ny daty sy ny toerana hanaovana ny fifantenana, raha 4 no mbola tsy manana daty mazava. Toliara irery no efa nahavita ny fifaninanana ka efa fantatra ny solontenany.
Bloco malagasy. Nifarana, omaly, ny fitetezam-paritra nataon’ny Bloco malagasy, tany Espagne, nandritra ity volana Jolay ity. Tanàna maro no nanatanterahin’ny tarika Bloco malagasy atrikasa sy fampisehoana ary fifampizarana. Nahafaly sy nahatalanjona ny mponina tany an-toerana ny seho sy ny fahaiza-manaon’ireto tanora malagasy ireto.
Manomboka anio maraina ka tsy hifarana raha tsy afaka sivy volana ny fampianarana valiha, andiany vaovao, ao amin’ny foibe fikarohana sy fampianarana ny mozika « Valiha Académie ». Anisan’ny hampiavaka ireto andiany ireto ny fidiran’ny fampianarana fomba amam-panao malagasy mifandraika sy mifamatotra amin’ny nampiasain’ny Malagasy fahiny.