TSELATRA

Renim-pianakaviana iray nendahin’ny jiolahy teny Ampefiloha, manakaiky ny lakan­dra­non’ Andriantany, afakomaly alina. Lasan’ireo jiolahy telo ny poketra teny aminy. Rehefa vita ny asa ratsy, nazeran’ireo jiolahy tany anaty ranom-potaka ilay vehivavy tsy ahafahany miantso vonjy sy manenjika.
Mpiambin-tanàna telo mianadahy nivarotra ny entan’ny mpampiasa azy. Saron’ny zandary ny 22 jolay teo. Nentina sarety tarihin-tanana ireo entana halatra tamin’ny 9 ora alina. Nosakanan’ny zandary, nofotopotorana ireo mpitondra. Nitoroka ny mpiambina nivarotra ny entana izy ireo. Raikitra ny fisamborana ka noraisim-potsiny ny ramatoa iray sy roa lahy.
Olona efatra voasambotry ny zandary tao Ambalavato Antevato, distrikan’i Vondrozo, afakomaly. Nitondra rongony tamin’ny gony, nifanehatra tamin’ny mpitandro filaminana izy enin-dahy. Nitsoaka nandositra ny roa raha toa ka tra-tehaka niaraka tamin’ny rongony 90 kg ny efa-dahy.
Dahalo telo lahy mpanao fanafihana mitam-
piadiana saron’ny zandary tao Andrangy, fokontany Ambohibary, kaominina Alarobia Bemaha, ny 24 jolay teo. Mpampihorohoro tao amin’ny manodidina, nanao­van’ny zandary hetsika manokana ny fisamborana ireo dahalo. Anatin’ny fikambanan-dahalo «Lambamena» avokoa izy ireo.

Partager sur: