Naleony namoy ny ainy ! Hita faty tao Ambalavotaka Masomeloka, manamorona ny Lakandranon’i Pangalana, omaly, i Herinaina Jean Antonio, ankizilahy 12 taona. Voalazan’ny fampitam-baovao marim-pototra avy amin’ny zandary ao Masomeloka, handeha hilalao baolina hiaraka amin’ny namany izy ny alarobia maraina tamin’ny 9 ora sy 30 mn. Tsy navelan-dreniny, Antoine Emilienne, handeha anefa izy fa mbola nisy raharaha hampanaovina azy. Tsy hitan-dreniny anefa ny nivoahany ny trano taorian’izay. Vokany, mpanasa lamba no nampandre ity renim-pianakaviana ity fa maty mihantona eo amoron-drano i Antoine. Tampoka taminy ny zava-niseho satria tsy nampoiziny hanao izany ity zanany ity fa hoe misy raharaha hampanaovina azy mialoha ny hilalaovany baolina. Nanala fanadinana CEPE, ny volana jolay lasa teo saingy tsy afa-panadinana izy.
Hatairana ny an’ireo olona teo an-tanàna nahita ity ankizilahy namono tena ity. Efa tonga nanao fanadihadiana eny an-toerana ny zandary.
Sajo/J.C