VAOVAO TAMBATRA

Vita ny tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro ao Ambilobe. Manana tanjaka 1MW ity tobim-pamokarana ity raha
800 KW isanisany kosa ireo milina mpihary herinaratra vaovao miisa roa miaraka aminy. Hahatratra 2.400 KW ny herinaratra hovokarina ao Ambilobe. Tanjona ny hialana tsikelikely
amin’ny fampiasana solika. Mahatratra 3.750 ireo hisitraka ny fotodrafitrasa.

Novatsiana fampitaovana avy amin’ny minisiteran’ny Fambolena, tamin’ny alalan’ny «Malagasy Dairy Board» (MDB), ireo mpamo­katra ronono, mpiompy, mpamokatra masomboly vilona ary ny vondron’ny fikambanan’ny mpamokatra. Nisitraka izany koa ny mpitazona ombilahy na mpampitombo taranaka.

Misy ny hetsika entina hanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy afrikanina, ny alatsinainy izao. Mandray anjara amin’ny fampivoarana an’i Madagasikara ny vehivavy, indrindra eo amin’ny sehatry ny famokarana. Ao anatin’ny lohahevitra amin’ity ny fampidirana ny tontolon’ny niomerika sy ny teknolojia hoentina ho amin’ny fampitovian-jo ny lahy sy ny vavy.

Mifarimbona amin’ny fikarakarana ireo ekipa hiatrika ny lalaon’ny Nosy sy hiaro ny voninahi-pirenena ny governemanta malagasy. Tonga teny Vontovorona ny minisitry ny Fampirobo­ro­boana ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana, mpiahy ireo mpilalao ny Badminton hiatrika izany.

Partager sur: