VIH/Sida: Loza mitatao ho an’ireo mpitsindrona zava-mahadomelina

Mahazo vahana eo amin’ny fiarahamonina malagasy ankehitriny ny fampiasana ny zava-mahadomelina atsindrona (UDI), indrindra eo amin’ny adolantsento sy ny tanora. Ireo mpam­piasa ny zava-mahadomelina atsindrona anefa dia tafiditra ho anisan’ny vondron’olona marefo izay mora ifindran’ny VIH/Sida.
Ny herinandro teo, nisy ny atrikasa fanetsehana ny vaomera teknika mandrindra ny fampiharana ny drafitrasam-pirenena hampihenana ny fifindran’ny otrikaretina VIH/Sida teto Antana­narivo. Mikendry ny hampihena ny loza ateraky ny fampiasana ny zava-mahadomelina atsindrona ny vaomiera.
Ny fomba amam-panaon’ireo mpitsindrona zava-mahadomelina dia vao mainka mampitombo ny fifindran’ny otrikaretina VIH/Sida, amin’ny alalan’ny fifandimbiasana fitaovam-panindromana efa avy nampiasin’ny hafa.
Tsy ara-pahasalamana ary miafina ka tsy misy fenitra ny fanindromana ataon’ireo tanora ka mora mamindra ny aretina avy hatrany.
Laharam-pahamehana ho an’ny firenena, noho izany, ny fametrahana ny drafitrasam-pirenena momba ny fampihenana ny fifindran’ny VIH/Sida sy ny viriosin’ny hepatita izay efa nisy hatramin’ny taona 2020.
Napetraka, noho izany, ny vaomiera teknika izay ahitana ireo solontena sy vondrona samihafa eo ambany fandrindran’ ny Sekretera mpanatanteraky ny komitim-pirenena momba ny ady amin’ny Sida (SeCNLS) ary eo ambany fitarihan’ny Fanda­haranasam-pirenena momba ny ady amin’ny IST/Sida.

Tatiana A

Partager sur: