Hanofana tanora 20 mpanentana eny amin’ny facebook na « influenceur » ny “Orange Digital Center Madagascar”, amin’ny alalan’ny fandaharanasa “Youth Digital Program”. Fiaraha-miasa amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ary ny minisiteran’ny Tanora no ahafahana manatanteraka izany.
Natomboka tamin’ity herinandro ity, araka izany, ny fandaharanasa “Youth Digital Program” amin’ny alalan’ny “tetikasa Impact”, izay iarahana amin’ny USAID sy ny PSI Madagascar.
Sehatra vaovao hahafahan’ ny tanora 18 ka hatramin’ny 35 taona miresaka lohahevitra momba ny fahasalamana sy ny fanabeazana eto amin’ny tambajotran-tserasera miaraka amin’ireo « influenceur » miisa 20 voaofana no hahafahana manao izany.
Hitarika izany hetsika izany ireo « influenceurs » efa fanta-daza eo amin’ny tambazotran-tserasera toa an’i Teg Life sy Jannia Blast’in izay voatendry ho ambasadaoron’ny Youth Digital Program.
Ireo « influenceur » miisa20 hanaraka fiofanana kosa dia hanatevin-daharana ireo mpanentana ara-pahasalamana eo anivon’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.
Hiresaka bebe kokoa ny sehatry ny tanora sy ny fahasalamana amin’ny ankolafiny rehetra, araka izany, izy ireo hanatsarana ny tontolon’ny fahasalamana eto Madagasikara.
Anisan’ny mpampita hafatra sy mpampaneno lakolosy mandaitra ireo « influenceur » ka izany indrindra no hanofanana azy ireo hahomby kokoa.
Tatiana A