Nifarana omaly, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja Judo, sokajy “Junior” sy “Cadet”. Nahazo medaly sivy i Madagasikara.
Tsy nitsanga-menatra ny Malagasy mpikatroka, niatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, notontosaina teto Madagasikara. Medaly sivy no norombahin’ny Malagasy, volamena iray, volafotsy roa ary alimo enina. Rasoanaivo Razafy Laura no nahazo ny medaly volamena tokana, nanoloana ilay Egyptiana i Farida, teo amin’ny sokajy “Junior”, latsaky ny 70kg. Noporofoin’i Laura ny maha laharana voalohany azy eto Afrika.
Medaly volafotsy roa kosa, izay tamin’ny alalan’i Sariaka Migson, sokajy vehivavy latsaky ny 40kg sy i Tafita Michel, lehilahy, +100kg, no azon’ny Malagasy mpikatroka, teo amin’ ny sokajy “Cadet” olon-tokana. Mbola niampy medaly alimo roa, sokajy “Junior”, azon’i Natacha sy i Miora izany ary medaly alimo telo, sokajy “Cadet”, azon’i Benandro Roumaica (-48kg), Ranaivoseta Somby (-60kg) ary Razafimpanja Mandresy (-73kg). Nofaranan’ny Judokas malagasy, tamin’ny sokay “Cadet” isan-tarika, omaly alahady, ny fandrombahana medaly, izay nahazoan’izy ireo ny laharana fahatelo, rehefa nandresy ny Maraokanina efatra no ho iray. Tsara ary mendrika ny vokatra azon’ ny Malagasy, araka ny nambaran’ny filohan’ny federasiona malagasin’ny Judo. Mbola afaka nanome tsara kokoa anefa raha toa ka nahavita nanomana araka ny tokony ho izy. Nankasitraka ny fahaiza-manaon’i Madagasikara amin’ ny fandraisana lalao iraisam-pirenena sy goavana, ireo vahiny delegasiona ary mbola hametraka fitokisana amin’ny firenena amin’ny fifaninanana Afrikanina ho avy. Tsiahivina, mpikatroka manodidina ny 300, avy amin’ny firenena 17 no tonga nandray anjara tamin’ity fiadiana ny tompondakan’i Afrika, sokajy “Junior” sy “Cadet”, natao teto Madagasikara ity. Nanjaka ry zareo Afrikanina Avaratra, toa an’i Egypte sy i Algérie, izay nandrombaka ny ampahany betsaka tamin’ny medaly.
Mi.Raz
Vokatra azon’ny Malagasy
Juniors olon-tokana:
-70kg: Rasoanaivo Razafy Laura, volamena
– 60kg: Razafindrakalo Ralevazaha Natacha, alimo
+78kg: Rasoanaivo Miora, alimo
Cadets olon-tokana:
– 40 kg : Sariaka Migson, volafotsy
+ 100 kg : Tafita Michel, volafotsy
– 48 kg : Benandro Roumaica, alimo
– 60 kg : Ranaivoseta Somby , alimo
– 73 kg : Razafimpanja Mandresy , alimo
Cadets isan-tarika:
alimo