Voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara, taranja basikety, sokajy zazavavy latsaky ny 16 taona, ny Ascut Atsinanana . Fiadiana ny tompondaka nasionaly U-16, notanterahina tany Toamasina, ny herinandro lasa teo. Omaly alahady no nanaovana ny famaranana ka nivoaka ho mpandresy 62 no ho 52 nanoloana ny Mb2All, ny ekipan’ny Ascut, laharana fahatelo U-16.
Efa nanomboka ny faran’ ny herinandro teo ihany koa ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, ho an’ny sokajy latsaky ny 18 taona lahy sy vavy. Any Ambositra ny hanatanterahana ny fifaninanana, izay haharitra hatramin’ ny 6 aogositra izao. Nisongadina nandritra ny roa andro, ny ekipan’ny EBF, Fandrefiala, Fandrasa, DCA ary ny Sepa ABM.
Mi.Raz