FANTINA sy FINTINA

“Andao hatao ny fifidianana rehefa vonona”, hoy ny depiote voafidy tany Arivonimamo tamin’ny anaran’ny IRD, Rakotondravoavy Andrianjafinjakolona, manoloana ny fitakian’ny mpisehatra politika sasany fanemorana izany. Betsaka ny fifidianana efa hita nandeha teto, fa tamin’izao no tena nipetraka ny hoe mangarahara, hoy izy.
Vonona hiatrika fifidianana ny filoha teo aloha, Rajaonarimampianina, araka ny nambarany tao Ambositra, Faritra Amoron’i Mania, ny faran’ny herinandro teo. Tsy matahotra hirotsa-kofidina izy amin’izany. Saingy takiny ny fifidianana madio sy ara-dalàna ary handraisan’ny rehetra anjara. Mbola vonona hijoro ho an’ny vahoaka izy, matoa niverina.
“Tsy mbola niakatra ny 5 tapitrisa no nifidy hatramin’izay”, hoy ny Sampana anaraha-maso ny fifidianana, ivon’ny demokrasia ifarimbonana (Safidy). Raha 13,5 tapitrisa ny isa tokony hotratrarina amin’ny isan’ny mpifidy, 81,5% amin’izay no tratran’ny Ceni. Hitaona ny mpifidy 11 tapitrisa mahery handeha handatsa-bato amin’ny androm-pifidianana ny Safidy.
Fametrahana Eveka, Tontosa omaly, teny Soamandrakizay, ny lamesa fametrahana ny arsevekan’Antananarivo, Mgr Raoelison Jean de dieu. Olo-panjakana maro no nanatrika izany, niaraka ta­min’ireo kristianina marobe. Natolotra azy tamin’izany ny famantarana maha arseveka azy, sy ny taratasy manandrify izany andraikiny izany.

Partager sur: