105 ny toerana fanangonana tavoahangy plastika napetraky ny orinasa Star amin’ny toerana maromaro manerana ny Nosy. Nanomboka ny taona 2019 no ho mankaty, 35t ny tavoahangy plastika voaangona ka navadika ho akanjo sy zavatra hafa mbola azo ampiasaina indray aty aoriana. Misy ny mpiara-miasa any amin’ny toerana misy ny vata fanangonana.
Fito ny karazana fako plastika arakaraka ny sokajy. Ny taona 1862 no nanombohana namokatra plastika voalohany ka ny « caoutchouc » no nokirakiraina tamin’izany. Ny taona 1907 vao niditra amin’ny famokarana entana plastika ny orinasa goavana ary mitombo isan-taona izany. Tsy misy ny politika fanavahana sy fanodinana ny fako plastika hatramin’izao.
Mbola ho maina ny andro amin’ny ankapobeny amin’ny faritra maro manerana ny Nosy fa ny alarobia no hiverina ny orana miatoato ho an’ny morontsiraka atsinanana. Entanina hatrany ny mpampiasa ranomasina any amin’ny morontsiraka afovoany andrefana, atsimo andrefana, atsimo ary atsimo atsinanana ho mailo fa hahery ny ranomasina.
Anatin’ny fanomanana tanteraka ny lalaon’ny Nosy, andiany faha-11 ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, nohamafisina ny fahaiza-manaon’ireo mpiasan’ny fahasalamana izay hisahana ny “assistance médicale”. Fiofanana izay niarahana tamin’ny DCAMUM ary notanterahina tetsy amin’ny INSPC Befelatanana.