Kitra Analamanga: tompondaka ny FC Rouge

Notontosaina omaly, teny amin’ny kianjan’ny Elgeco Plus By-Pass, ny lalao famaranana ny ligin’Analamanga. Voaho­sotra ho tompondaka tamin’ izany ny FC Rouge. Lavon’izy ireo tamin’ny isa 3 no ho 1 ny ekipan’ny AS Sainte Anne, taorian’ny fanalavam-potoana. Ma­rihina fa nisaraka 1 no ho 1 ny roa tonta teo amin’ny fe-potoana ara-dalàna. Ny eki­pan’ny FC Rouge izay nandresy an’i Toulon AC, tamin’ny isa 1 no ho 0, teo amin’ny manasa-dalana
Ity ekipa ity izany no hisolo tena ny ligin’Analamanga amin’ny fifaninanam-pirenena diviziona faharoa, “Ligue des Champions”. Fifanintsanana hanomboka ny 4 aogositra ho avy izao. Ao amin’ny vondrona “B” no misy azy ireo, miray von­drona amin’Alaotra Mangoro, Atsinanana, FCA Analanjirofo, FCT Analavory Itasy, AS 3A Amoron’i Mania.
Tsara ny mampahatsiahy fa ity ekipa ity no nanahirana ny Fosa Junior, tomponda­kan’ny “Orange Pro League”, teo amin’ny ampahavalon-dalan’ ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara “Telma Coupe 2023”. Resin’ny Fosa tamin’ny isa 2 no ho 1 ny FC Rouge, tamin’izany, saingy tany amin’ ny fanalavam-potoana (105 min) vao nahita fandresena ny ekipa avy any Boeny.

Fitia

Partager sur: