Nifarana omaly alahady, tao amin’ny kianja Rabemananjara Boeny, ny “tournoi” baolina kitra, fankalazana ny jobilin’i Ahmad, filohan’ny CAF teo aloha. Lasan’ny Barean’i Madagasikara ny amboara rehefa nanamontsana an’i Mayotte, tamin’ny isa mazava, 3 no ho 1. Nampiditra ny baolina voalohany ry zareo Mahorais, tamin’ny alalan’ny “coup franc”, nodakan’i Adifane, kapiteny, teo amin’ny minitra fahatelo.
Tsy nahakivy ny Malagasy mpilalao izany. Niezaka nandamina ny fanafihana ry Lalaina sy Jean-Yves ary i Tsiry Kely. Minitra faha-18, nanasahala ny isa i Tony, ho an’ny Barea, taorian’ny “coup franc” nodakan’i Tsiry ka niantefa teny amin’ny lohany ary nampikobana ny haraton’i Mayotte.
Nitaky ny havizanana ho an’i Mayotte. Zara fa nahatafavoaka baolina ry Nyang sy i Hafez. Minitra faha-35, valim-panafihana malagasy, tonga tao amin’i Tendry, namitaka an’i Nyang, nandaka ka nahafaty ny baolina faharoa. Nentin’ny roa tonta niala sasatra io isa 2 no ho 1 io.
Totoafo ny fanafihana malagasy
Fizaram-potoana faharoa, nandihizan’ny Barea ny kianja. Nanjakan’ny Malagasy ny 45 mn. Nanao fampisehoana, tamin’ ny alalan’ny tolotolotra haingam-pandeha ry Dody sy i Lalaina niaraka tamin’i Jean-Yves. Minitra faha-59, nampiditra ny baolina fahatelo i Tsiry Kely. 3 no ho 1 ny isa. Niandry sarahina sisa ny Mahorais. Tsy nisy intsony ny baolina maty. Ny fihaonana amin’i Kenya, hatao ny 15 aogositra izao, etsy Mahamasina, ny tohiny ho an’ny Barea. Tsiahivina fa tafiditra ao anatin’ny fanomanana ny lalaon’ny Nosy ity lalao ity, ho an’ny ekipa roa tonta. Vahiny nanatrika ny lalao i Samuel Eto’o Fils, filohan’ny federasiona kamerone.
Tompondaka