Tsy mba zavakanto tsotra ny hiragasy fa kolontsaina koa. Tsy natao ho fahafinaretan’ny sofina fotsiny fa fitaizana ny taranaka. Ho fampivelarana izany, notokanana, omaly, ny fotodrafitrasa vaovao.
«Kianjan’ny hiragasy», io ny anarana nasalotra ilay toerana vaovao fanaovana adin-kiragasy etsy ambadiky ny Tranombokim-pirenena Ampefiloha. Mahazaka mpijery 700 ity kianja ity, raha ny nambaran-dRakotondrazafy Lalatiana, minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, omaly, nandritra ny fitokanana notarihin-dRajoelina Andry, filoham-pirenena. Ahitana efitrano roa ahafahan’ny mpihiragasy misolo akanjo ary birao ny kianja. Natolotra maimaimpoana, tsy misy hofany ho an’ny Federasion’nympihiragasy eto Madagasikara ity fotodrafitrasa vaovao ity.
Nambaran’i Petit, filohan’ ny Federasion’ny mpihiragasy fa «satria mbola maro ny mpihiragasy nidina any ambanivohitra… Aorian’ny fandaminana, tsy ho tapaka intsony ny adin-kiragasy eo amin’ny kianjan’ny hiragasy». Nanteriny fa : «tahaka ny fiainana rehetra, hisy fiakarany kely ny saram-pidirana. Na izany aza, tsy hihoatra ny 5 000ar».
Niankina tamina olona tsotra hatrany
Raha ny fanazavan-dRaveloson Jean Ba, 56 taona nanaovana hiragasy : «niankina taminy ny nanatontosa adin-kiragasy, taloha, teto an-dRenivohitra, satria, an-dry zareo ny toerana». Kianjan-dRamala (Isotry). Nifindra tetsy Soamanatombo Anosy izay navadika ho tsena. Teo anoloan’ny AFT Andavamamba, nilain’ny tompony ny tany. Nifindra tao amin’ny EPP Anosibe, ampiasain’ny sekoly ny taniny. Na, Raveloson Jean Ba, na Petit samy nilaza fa : «mety amin’ny mpanao hiragasy ity kianja ity. Ny olona zakany kosa no somary vitsy satria mahatratra 4 000 eo ho eo ny mijery adin-kiragasy iray».
Notsiahivin’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina fa hivoaka alohan’ny faran’ity taona 2023 ity ny valin’ny hampidirana ny hiragasy ao anatin’ny harembakoka ara-tsain’ny zanak’olombelona eo anivon’ny Unesco.
HaRy Razafindrakoto