Novonoina tamin’ny fomba feno habibiana ny raim-pianakaviana iray. Nopotehina ny tarehiny. Nafatotra tongotra aman-tanana tao an-damosina izy.
Novoina tamin’ny fomba feno habibiana, raim-pianakaviana iray hita faty tao Ambalamanga, fokontany Ambohitrinibe, kaominina Milamaina, distrikan’ i Fandriana, ny 25 jolay 2023 teo. Nodarohana teo amin’ny lohany, voa mafy io lehilahy io. Nofatoran’ireto farany tady ny tanana aman-tongony taorian’io. Ankoatra ny vono, tsy namelan’ny olona nahavanon-doza raha tsy notaperina ny ainy. Mpandalo iray no nahatsikaritra io voadaroka sady voafatotra io. Nampandre ny mpitandro filaminana, natao ny fizahana ny razana. Voamarina fa niniana novonoina tokoa io raim-pianakaviana io. Tsy fantatra mazava ny nahavanon-doza.
Raha ny fanazavana nampitain’ny zandary, mpihavana avokoa ireo mpiara-monina amin’ity raim-pianakaviana niharam-boina ity. Hatramin’ izao tsy mbola fantatra na vola na taratasin-tany momba ny lova no notadiavin’ireo nahavanon-doza. Niparitaka rahateo ny entana rehetra tao an-trano. Ny fampitam-baovao hatrany no nahafantarana fa manan-janaka miaramila légionnaire any an-dafy ity raim-pianakaviana ity. Mandefa vola ho azy hatrany ny zanany ka mety ahiana ho misy ifandraisany amin’izany koa ilay raharaha vonoan’olona. Efa misy mahafantapantatra ny fisian’izany vola alefan-janany ho azy izany.
Efa noraisin’ny fianakaviany an-tanana ny fikarakarana ny vatana mangatsiakan’ity lehilahy hita faty ity. Notanterahina omaly ny fandevenana azy. Misokatra ny fanadihadiana ataon’ny zandary ka andrasana ny tohin’ny raharaha.
Tsiferana R.