Tsara fiditra ny Malagasy mpanao “lutte”, omaly alahady, teo amin’ny fiadiana ny lalaon’ny tany miteny ampahany na manontolo ny teny frantsay “Jeux de la francophonie”. Fihaonana, tanterahina any Kinshasa, renivohitry ny Repoblika Demokatrikan’i Congo. Niady ny medaly volamena, sokajy -74 kg, i Mbola saingy resy. Ankoatra izay, nifampitana izay hahazo ny alimo, i Rinho, teo amin’ny -79 kg. Torak’ izany koa i Malala teo amin’ny -62 sy -65 kg.
Raha ny fandaharam-potoana, hiditra an-tsehatra anio alatsinainy, ny taranja atletisma.
Hihazakazaka eo amin’ny halaviran-dalana 100 m misy fefy i Sidonie Fiadanantsoa. Eo koa i Nomenjanahary Claudine, hifaninanana amin’ny hafainganam-pandeha 100 m sy ny 200 m. Hiady ny medaly volamena eo amin’ny 400 m kosa i Renandro Patrice. Rahampitso talata,vao hiaka-tsehatra Razanamandroso Florentine, eo amin’ny vikin-dava. Rabearison Calin Todisoa indray hifampitana eo amin’ny 400 m misy fefy. Ny alarobia vao hifaninana eo amin’ny halavirana 1500 m sy ny 3000 m steeple, i Tahinjanahary Tsima.
Tompondaka