Manao fakan-kevitra hatao inona moa ny iraky ny Sadc amin’izao ankatoky ny fifidianana izao? Samy manana ny fijeriny ny tsirairay, arakaraka ny toerana misy azy sy izay kendreny amin’izany. Ny tsy azo lavina, misy antony sy vokany politika avokoa izay lazaina sy atao rehetra. Fifidianana filohan’ny Repoblika no atrehina. Raha ny marina, efa tany amin’ny dimy taona no fantatra sy niomanana izany.
Nefa mbola misy ny miady varotra fa tokony hahemotra, hono, ny fifidianana: tsy tomombana ny lisi-pifidianana, tsy mazava ny vola enti-manana, mila fanatsarana ny lalàm-pifidianana… Raha ny fijerin’ny mpanohitra, tsy misy inona manjary ny fikarakarana fifidianana. Misy aza ny mandrahona hidina an-dalambe fa tsy araka izay niheverany azy, hono, ny raharaha. Tsy misy inona mandeha raha tsy ny tena no tonga eo amin’ny fitondrana?
Izay no tena kendreny amin’ny tsikera, fanaratsiana, fampitahorana, fanakorontanana… Ahina mafy, hono, ny krizy politika mialoha na mandritra na aorian’ny fifidianana. Efa nandramana sy natao avokoa ny dona rehetra? Na tsy azo ihodivirana intsony ny fifidianana amin’izao… Nefa mbola misy mamisavisa sy mampandry adrisa fa tokony hahemotra fotsiny izao izany. O rey olona e! Fitaka bevava…
Misy tena mamy lela ery mandroboka amin’izany: tsy ekena, hono, ny Tetezamita; tsy maintsy atrehina ny fifidianana, saingy tokony hahemotra. Tsy efa fidirana amin’ ny Tetezamita ve izany? Tsy araka ny Lalàmpanorenana, manalava ny fe-potoam-piasana… Inona koa? Ny toky, fitaka; fa misy koa izao ny taky, fitaka: fitakiana mamitaka. Misy tena miketriketrika? Efa nisy sy niainana avokoa izao karazana fandrika rehetra izao. Mbola ho azo amin’ izany ve ny mpanao politika tsara sitrapo? Eny, na ny vahoaka aza…
R. Nd.