Notanterahina omaly, teny amin’ny Alliance Française d’Antananarivo (AFT) Andavamamba, ny fampisehoana teatra, notontosain’ny Tropy Antananarivo Teatra, nampitondraina ny lohateny hoe «Tanora Fanantenana». Fotoana iray nanehoan’ity tropy ity ny maha izy azy. Maro ny mpisehatra eo amin’ny teatra eto Madagasikara sy mpankafy izany no tonga nankafy izany. Tanjon’ny hetsika ny hametrahana indray ny teatra amin’ny toerany sy hamerenana ny fankafizan’ny olona izany karazana haikanto izany.
Nifaly sy nianoka fampisehoana miavaka ireo mpijery ny teatra nataon’ny Tropy, teny amin’ny Aft. Tantaram-pitiavana voarara, teo amina tanora roa no nambaboan’izy ireo ny mpijery. Anisan’ny nampiavaka ity seho ity koa ny fahaizan’ny mpilalao sy ny rindran-tsehatry ny seho. Hita ho matihanina tanteraka ny mpilalao na dia tanora sy zazavao eo amin’ny sehatry ny filalaovana teatra aza.
Lin M.