« Tetikasa Miary digital » : tapitra anio ny fisoratana anarana

Mifarana androany ny fisoratana anarana amin’ilay teti­kasa « Miary Digital » natao ho an’ireo tanora mandraharaha eo amin’ny sehatry ny niomerika sy ny haitao ara-kajy mirindra. Hanomboka ny sivana ho an’ireo mahafeno ny fepetra takina, ka hahazo famatsiam-bola 5 000 ka hatramin’ny 15 000 dolara, ireo start-ups mendrika indrindra. Tanjon’ny tetikasa « Miary Digital » ny hanome asa sy hampiroboro ny fananganana orinasa. Marihina fa tafiditra anatin’ny fanatontoloana niomerika sy ny haitao ara-kajy mirindra isika izao. Antony nahatonga ny minisiteran’ny Fampiroboroboana sy fanovana ny haitao ara-kajy mirindra, ny paositra ary ny fifandraisan-davitra (MNDPT) nanao ity fifaninana ity. Fandaharanasa iarahany amin’ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana, tohanan’ny Banky Iraisam-pirenena. Atao izao hanohanana ireo tanora mpandraharaha sy hanomezana azy famatsiam-bola amin’ny tetikasa ataony mba hampiroboroboana ny seha-pihariana sy ny toekarana eto Madagasi­kara. Marihina fa tetikasa misehatra amin’ny haitao ara-kajy mirindra amin’ny tontolon’ny fambolena, fiompiana, fampianarana sy ny maro hafa mitondra fampandrosoana ho an’ny firenena no jerena amin’ity fifaninana ity.

Henintsoa H.

Partager sur: