Lehilahy iray mpanao trano no maty tao anaty lavadrano iray eny Ambohimangakely, ny sabotsy teo. Nandritra ny fidinany hikarakara ity lavadrano teny Antanambao Ambohimangakely no nitranga ny loza. Sempotra tao anaty lavaka izy ka antony nahatonga ny fahafatesany, araka ny fanazavan’ny mpamonjy voina tonga nampiakatra ny razana.
Nidoboka eny amin’ny fonjan’i Tsiafahy, ny zoma teo, rehefa avy natolotra ny fampanoavana ireo jiolahy telo tompon’antoka tamina fanafihana tranombarotra iray eny Ankadindratombo. Mpiambina tao ihany no atidoha nikotrika ny fanafihana ka nitarika jiolahy hafa hanafika. Maty voatifitra teo amin’ny lohany ny mpamily taxi iray.
Naiditra eny Tsiafahy, ny zoma koa, ny dadabe iray, nanolana ny zafikeliny 14 taona. Nanomboka ny volana janoary no nitranga ny fanolanana. Mbola norahonany ho faty koa ilay niharam-boina raha mitantara amin’olona. Efa imbetsaka izy no manampatra ny filan-dratsiny amin’ity zafikeliny. Nilaza izy fa tsy nahatohitra ny fakam-panahy mahita ity zafikeliny ity.
Tsy tanteraka ny tetika nataon’ny mpivady sy vehivavy iray tao Ambolotarakely Ankazobe. Natahotra ny fiankaviana iray raha nisy niantso tamin’ny finday fa eo am-pelatanan’ny mpaka an-keriny ny vehivavy mpiray tampo amin’izy ireo. Vola 10 tapitrisa Ar no notakiana tamin’ny fianakaviany. Ketrika avolenta anefa izany fa tsy nisy akory ny fakana an-keriny.