Efa niverina amin’ny laoniny omaly ihany ny famatsiana herinaratra amin’ny faritra Atsimondrano. Efa voasolo ilay « poutre » tamin’ny andrinjiro nitondra ny herinaratra mahery vaika teny Ambohijanaka, Mahabo ary Mahalavolona. Tsiahivina fa naharitra ora maro ny fahatapahan’ny herinatra teny an-toerana, omaly.
Mbola mitohy ilay atrikasa iarahana amin’ireo Sinoa manam-pahaizana momba ny jono. Maro ny lohahevitra resahina nandritra ireo andro nanavaona ny atrikasa. Anisan’ny noresahana ny fomba fitantanana ny jono ao Sina sy ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena momban’ny siansa sy ny teknolojian’ny harena anaty rano, ny sabotsy teo.
Nanao atrikasa ho an’ny fanatsarana ny fomba fiasa eo amin’ny asa fanondranana harena an-kibon’ ny tany ireo tomponandraikitra ao amin’ny faritra Atsinanana, voakasik’izany, ny talata teo. Nisy, nandritra izany, ny famelabelaran-kevitra izay niompana indrindra tamin’ny lohahevitra mikasika ny torolalana momba ny fanondranana na ny « procédures d’exportation ».
Tanterahina ao amin’ny Nosy Maorisy, ny fivoriambe faha -66-n’ny OMT momban’ny fampiroboroboana ny fizahantany aty Afrika. Miisa 33 ireo firenena Afrikanina mandray anjara. Ahitana minisitry ny fizahantany 22, ny fivoriana. Samy maneho ny fahavononany amin’ny fanatsarana sy ny fanamafisana ny fiaraha-miasa ny mpizaika.