Cosafa 2023 : hivondrona anio ireo vehivavy mpilalao 45 voaantso

Vehivavy malagasy mpilalao maro no nahazo antso hiatrika ny fampivondronana amin’ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar, marihina fa 23 amin’izy ireo ihany no hiatrika ny Cosafa 2023.

Ho fiatrehana ny Cosafa, vehivavy, hatao any Afrika atsimo, manomboka ny 23 aogositra – 3 septambra ho avy izao, hotanterahina manomboka anio, eny Carion, ny fampivondronana voalohany ny Barea de Ma­dagascar. Miisa 45 mirahavavy izy ireo no voatsonga voalohany hiatrika izany. Marihina fa nalaina tamin’ny fifaninanana nasionaly natao farany teo izy ireo.
Araka ny fanazavan’An­driatsimialona Sandrine Mi­chela, filohan’ny kaomisiona misahana ny baolina kitra, vehivavy, eo anivon’ny FMF, mizara telo ny dingana hanaovana ny fifantenana azy ireo. Ny 1 hatramin’ny 5 aogositra, ireo 45 mirahavavy ihany no tsapaina, ny 6-10 aogositra, mihena 35 ny mpiadina ary ny 11 aogositra, hivoaka ny anaran’ireo 23 mpilalao hiaro ny voninahi-pirenena amin’ny “Cosafa 2023”.
Tsara marihina fa i Theo­dore Béatrice no mpanazatra voatendry hitondra ny vehivavy Barea.
Raha tsy misy ny fiovana, ny 21 aogositra ho avy izao ny ekipa malagasy no hiainga eto an-tanindrazana ho any Afrika Atsimo. Tsara ny mampahafantatra fa inefatra amin’ity ny vehivavy Barea no nandray anjara tamin’ny fifanintsanana Cosafa.

Fitia

Ireo mpilalao 45 mirahavavy Barea :

Mpiandry harato : Rasoanarivo Anastasie (ASCUF), Volazara Bernadette (AFDA), Faraniaina Christina (Disciples FF), Fanomezantsoa Tojo Mamitiana (AS COMATO), Rakotoniaina Volaranto (FCF)
Vodilaharana : Tolizafy Thérèse Fabiola (AFDA), Solange Emilienne (Ascuf), Razafindraibe Prisca
( Sabnam), Velomanantsoly Njarasoa (MIFA), Mamitine Florine (SOM), Rabemaromanga Aina (Sabnam), Harimampionona Hasinirainy (Disciples), Razafiharivelo Mialisoa Tantely (ASOT), Randrianarivola Lalainarisoa (AMMI), Adylaya Zirah (Sabnam), Rabenandrasana Jessica (Disciples FF), Ouarda (AFDA), Razafinirina Mercia (FCF), Ramanantenasoa Yrlac (Disciples FF), Sambetanae Akiafara Noeline (3FB Betroka)
Irakiraka : Ramanantsoa Sitrakaniaina (Disciples FF), Ravaosolonirimanana Nadia (Mifa), Rahantanirina Koloina Alda (Ammi), Mbolaniaina Alice Franca (Disciples FF), Randrianarivelo Helisoa (Sabnam), Nivonirina Hanitriniaina (Sabnam), Haingolalaina Mbolatiana (ASCUF), Tombo Jacques Novelinah (AFDA), Rasamison Andoniaina (MIFA), Rasoa­rimamonjy Elisa (Disciples FF), Tahinjanahary Daniella (ASCUF); Razafindrasoa Noella (FCF), Soloniaina Razanarisoa Julie (ASCUF), Raharimalala Véronique (Sabnam), Lefitriniaina Zo Narovana (AJSAI), Bao Zakia (SOM), Rodeline Volozandry (AFDA), Bema­nanjary Louise Ornela (AFDA).
Lohalaharana : Razazaharonavana Marie Angèle (AMMI), Rahasintsoa Chrisyelle Yvonne (AJSAI), Rasoamihaja Christine (Asot), Ravelomanana Farella (Ascuf), Rasoarimalala Mamisoa (Disciples FF), Rasoanantenaina Kajivelo (AS Comato).

Partager sur: