Fampidirana mpianatra : manodidina ny 350 000 Ar isaky ny ankizy ny vola ilaina

Manao famandrihana toerana amin’ny fisoratana anarana ho an’ny taom-pianarana vaovao, 2023-2024, ny ray aman-dreny, amin’izao fotoana izao.

106 000 Ar ka hatramin’ny 122 000 Ar ny sandan’ny fisoratana anarana, miaraka amin’ny “frais généraux”, isaky ny mpianatra ka ny “préscolaire” no ambony indrindra ny sora-bola. 53 000 Ar ka hatramin’ny 65 000 Ar indray ny saram-pianarana isam-bolana ka tsy maintsy hefaina ny volana voalohany mialoha ny fidirana 4 septambra ho avy izao, hoy ireo ray aman-dreny. Raha tokana ny zaza mbola eo ho eo ihany fa rehefa roa no ho miakatra no tena henjana ny fandaniana. Hoezahina ny hanefa ny saran’ny fisoratana anarana sy ny “frais généraux” aloha fa miandry ny saram-pianarana iray volana. Ny tapaky ny volana aogositra vao hividy ny fitaovam-pianarana rehetra sy ny boky ilaina ankoatra ireo hofaina any an-tsekoly. Nandeha nitety tsena mialoha ireo renim-pianakaviana nampitaha ny vidiny ka rehefa natambatra, mila 200 000 Ar isaky ny mpianatra vao feno ny fitaovana rehetra. Maka tombony mihoa-pampana koa ny mpaninjara ka raha manana fotoana, aleo milahatra vao maraina eny amin’ireo mpivarotra mpamongady eny Analakely sy Tsaralalàna, hampihena ny vidiny.
Manoloana ny vola mivoaka, sahiran-tsaina ireo ray aman-dreny ka tsy vitsy ny misafidy ny hamerina hampiasa ny fitaovana tamin’ny taon-dasa raha mbola mety. Ny sekoly koa tsy tokony hitaky fitaovana vaovao, ho fitsinjovana ny isan-tokantrano. En­tanina ny fianakaviana hampiditra an-tsekoly ny zanany nefa mihemotra ny ray aman-dreny rehefa tsy ampy ny eo am-pelatanana. Ho an’ny sekoly tsy miankina ireo fa raharaha hafa ny eny amin’ny sekolim-panjakana.

Vonjy A.

Partager sur: