Vita sonia omaly, tetsy Ankorondrano, ny fifanekena eo amin’ny fanjakana malagasy sy ny sehatra tsy miankina momba ny fandaharanasa maharitra ho an’ny indostria. Hiara-dia sy hifanome tanana ary hifanohana ny fanjakana sy ny mpandraharaha amin’ny fampiroboroboana ny indostria eto Madagasikara. Ahafahan’ ireo mpandraharaha mahafantatra ny sehatra iarahany miasa amin’ny Fanjakana sy ny andraikitra tandrify ny tsirairay izao fifanekena izao. Voalaza ao ny fandraharahana momban’ny fambolena, ny lamba, ny fanodinana ny harena an-kibon’ny tany. Tafiditra amin’izany koa ny momba ny lohamenaka ary ny angovo azo havaozina. Samy sehatra fototra mamaly tanteraka ny filàn’ny mponina ireto voakasika ireto. Hanohizana izany indrindra ity fanaovan-tsonia ity. Hisy ny filankevi-pirenena ho an’ny fampiroboroboana ny indostria eto Madagasikara (CNIM). Rafitra hanaraha-maso ny fanatanterahana izay voalaza ao amin’ny fifanekena araka ny tetiandro nifanarahana.
Mifampiankina
Hanatsara ny hoavin’ny tontolon’ny fandraharahana eto Madagasikara izao fiaraha-miasa izao noho izy hiantraika mivantana amin’ny toekarena. Fifandraisana mari-pototra eo amin’ny sehatra tsy miankina sy ny fanjakana, entina mampiroborobo ny indostria malagasy. Tsiahivina fa natao iray volana mahery ny dinika momba ity fandaharanasa maharitra ity. Noresahina nandritra izay koa ny tondrozotra mazava hampiroboroboana ny indostria eto amintsika.
Henintsoa H.