Natao sonia omaly, teny Alarobia, ny hanohanana eo amin’ny fitaovana sy ny kojakoja ny Ceni, iarahana amin’ny masoivohon’i Japon. Anisan’izany ny fanomezana fiara miisa 10 sy moto miisa 148 ho an’ny foibe sy ny rantsa-mangaikan’ny Ceni.
Hifarana, anio ny dian’ireo iraky ny Sadc. Hanao tatitra any amin’ny filoha mitarika ity Vondrom-paritra ity izy ireo ary hamoaka fehinkevitra aorian’izany. Tsiahivina fa samy maika sy dodona amin’ny fifidianana ny TGV/Mapar sy ny Tim raha nihaona amin’ny Sadc.
Nandray ny asany ny tonia mpampanoa lalàna ao amin’ny Pac, ambaratonga voalohany, Mahajanga, Randriamahefarilala Rindra Harizo, ny faran’ny herinandro teo. Fanambiny ny fampiharana ny lalàna ho an’izay meloka ary tsy misy an-kanavaka.
Tsy hoe misy korontana na fiaraha-mitantana eto Madagasikara no alehan’ny Sadc eto, araka ny nambaran’ny sekretera nasionalin’ny TGV, Rasoamaromaka Hery. Hijery izay hampizotra tsara ny fifidianana filohan’ny Repoblika hatao no anton-diany.