Halatra fiara sy fikasana hamono olona : voasambotra ireo 3 mianadahy tompon’antoka

Tra-tehaky ny polisy eo anivon’ny BC4 ny telo mianadahy, tompon’antoka tamin’ny halatra fiara sy fikasana hamono olona, ny faran’ny herinandro lasa teo. Nikasa hivarotra ny fiarany ny renim-pianakaviana iray avy eto Antananarivo. Nilaza ho na­hi­ta mpividy ny zaobaviny ka atao any Ambatofotsy na Imerinkasinina ny fanandramana ny fiara. Tsy nanaiky ny tompon’ny fiara fa atao eto amin’ny “Ville” ihany iza­ny. Natao, araka izany, ny fifanekena teo amin’ny roa tonta ka natao teny akaikin’ny sekoly Masina Misely Amparibe izany, ny faran’ny herinandro teo. Nentin’izy roa lahy ny fiara, nandeha mora izy ireo, nampiakariny ny feon’ny radio, ny fitaratra ary nohidiny “secret” avokoa ny varavarana. Nokendainy sy nosemporin’izy ireo tamin’ny “sachet” ilay ramatoa tompon’ny fiara avy eo. Nieza­ka nanavo-tena ilay tompon’ny fiara ka niafara tamin’ny fandonana fiara iray hafa ny fifanjevoana tanaty fiara. Tafaporitsaka sy nian­tso vonjy izy taorian’izay. Nandositra avy hatrany ireo olon-dratsy ka nifanenjehan’ny polisy. Vokany, voasambotry ny Polisy izy telo mianadahy ny harivan’io ihany. Naverina amin’ny tompony ny fiara avy eo. Efa eo am-pelatanan’ny polisim-pirenena eo anivon’ny BC4 ny ra­haraha.

Mino

Partager sur: