Mitohy hatrany ny fitetezan’ireo fiarabe ireo distrika maro manerana ny Nosy amin’ny tolotra ara-pahasalamana «Sarobidy ny aiko». Nisitraka izany ny mponina tao amin’ny tanànan’Ambositra, 1 580 ny isan’ireo olona nisitraka tolotra maimaimpoana.
Andro maneran-tany ho an’ny ady amin’ny fampiasana ankizy, foibem-pitondram-paritry ny fanabeazam-pirenena Androy. Anisan’ny hetsika notanterahina, nandritra izany, ny fifanakalozan-kevitra amin’ny fampiasana ireo ankizy, eo koa ny rariny ara-tsosialy miompana amin’ny asa tokony hatao momba ny fanafoanana ny fampiasana ankizy ao Androy.
Tanterahina any Corée Atsimo, nanomboka omaly hatramin’ny 12 aogositra izao, ny “jamborée faha-25”. Nanainga ny faran’ny herinandro teo ireo tanora malagasy hiatrika izany. Nanotrona azy ireo ny firaisan’ny skotisma eto Madagasikara. Nihaona sy nandray ny tsodrano avy amin’ny minisitry ny Tanora ihany koa izy ireo, ny herinandro teo.
« Ilontsera Fiorenana ». Io no anarana nisaloran’ny andiany faha-80, ireo tomponandraikitra eo anivon’ny FJKM, nanaraka fiofanana tao amin’ny Inscae. Navoaka tamin’ny fomba akademika teny amin’ny FJKM Andrainarivo Fahasoavana, ny herinandro teo, izy ireo.