Maika ny fanarenana ny lalam-pirenena eto amintsika. Anisan’izany ny RN 2 izay tsy maintsy arindra ny fifamoivoizana satria maro ny fiara mivezivezy aminy.
Miisa roa ny orinasa manao ny asa fanarenana ny lalam-pirenena faharoa (RN 2). Nisy fivoriana notarihin’ny minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro, Ramonjavelo Valéry, niaraka ny ao amin’ny minisiteran’ny Asa Vaventy sy ny Zandarimariam-pirenena, ny faran’ny herinandro teo. Nodinihina ny fandrindrana ny fifamoivoizana amin’iny lalam-pirenena iny, nijerena ny fiaraha-miasan’ny tomponandraikitra isan-tsokajiny, sady hisorohana ny loza. Nisy avy hatrany ny fidinana ifotony, nataon’ny tale jeneralin’ny Fitaterana an-tanety, ny sekretera jeneralin’ny Asa vaventy, ny zandarimariam-pirenena ary ny solontenan’ny mpitatitr’olona sy ny entana ary ny avy amin’ny fiarabe. Nojerena ireo toerana tena ahitana lalan-dratsy ilana asa maika.
Anisan’ny efa mandeha ny fanarenana ny lalana eny Mandraka sy ny eny Marozevo. Efa andalam-panamboarana koa ny manodidina an’Andasibe. Tsiahivina fa mamatsy vola ny asa ny Banky Iraisam-pirenena, ao anatin’ny fandaharanasa “asa vonjitaitra”.
Efa atao tara ny Ambanja-Antsiranana
Ankoatra ireo, anisan’ny efa mandeha koa ny fanarenana ny lalam-pirenena fahenina (RN 6). Eo am-panaovana tara ny orinasa Colas, amin’ny ampahan-dalana Ambanja-Ambilobe sy ny Ambilobe mankany Antsiranana. Voakasik’ izany koa ny fanarenana ny tetezana sy ny lakandrano amin’ny sisin’ny arabe. Nijery ifotony ny fizotry ny asa, ny herinandro lasa teo, ny governoran’i Diana, Rakotomanga Taciano.
Ho an’ny lalam-pirenena fahefatra (RN 4), mitohy ny asa amin’ny fanarenana ny eny Mahitsy.
Njaka Andriantefiarinesy