Lalaon’ny Frankôfônia- Literatiora : miandry valim-pitsarana i Narda Natioranomena

Samy miezaka hanome ny kanto indrindra avy aminy ireo Malagasy mpanakanto mifaninana amin’ny lalaon’ny Fran­kôfônia. Anisan’ireny ny mpanoratra sady poeta Narda Na­tioranomena, izay manam-bintana handrombaka medaly. Niatrika ireo mpitsara, omaly, ity solontena malagasy eo amin’ny sokajy literatiora ity. “Monsieur Stylo” no sanganasa novakiany teo anoloan’ny mpitsara sy ireo mpanoratra namany avy amin’ny firenena maro. Niavaka tamin’ny rehetra ny fanehoana nataony, satria nampiany tosika tamina ravaka mirakitra kisary sy so­ratra izany. Ampahany kely amin’ny naoty ihany ny fanehoana manoloana ireo mpitsara, fa ny sanganasa nalefa mialoha no tena fototra iaingana. Ho fantatra anio alina izay hivoaka ho mpandresy amin’ny sokajy literatiora.
Tsara toerana ry Ndaty Lahy

Tontosa ny alin’ny alahady ny fiakarana an-tsehatry ny tarika Ndaty Lahy, tao amin’ny Auditorium Palais du Peuple, solontenan’i Madagasikara, eo amin’ny sokajy hira. Ao amin’ny Vondrona A isika, mi­araka amin’ny tarika avy ao amin’ny Repoblika demokratikan’i Congo, izay mpampiantrano, sy ny avy any Liban ary i Bénin. Hira roa no nentin’ny Ndaty Lahy nambabo ny mpitsara sy ny mpijery: “Nanino” sy “Ino toy” . Fantatra rahampitso alina, aorian’ny fahavitan’ny seho isam-bondrona izay tafakatra. Ny voalohany isaky ny vondrona ihany no miatrika ny famaranana ny alakamisy alina, ary ny telo amin’ireo no mahazo ny medaly.

Zo ny Aina

Partager sur: