Niteraka resabe teo amin’ny tambajotran-tserasera sy teny anivon’ny fiarahamonina ny raharaha “Madagascar Airlines” izay voatery nampiato sidina maromaro. Nitondra fanazavana tao amin’ny tambajotra sosialy mahakasika izany ny filohan’ny filankevi-pitantanan’ny kaompania, Rakotomanga Rinah. Nambarany fa mbola vitsy ireo fiaramanidina niasa taorian’ny fisokafan’ny sisintanin’i Madagasikara, nandritra izay roa taona sy tapany izay. Vitsy ihany koa ny fiaramanidina nofaina noho ny fahalafosan’izany. Nisy tamin’ireo fiaramanidina ihany koa no nanana olana ara-teknika ka tsy afaka niasa nandritra ny fotoana maharitra mba hisorohana ny loza mety hiseho. Nisy tamin’ireo fiaramanidina no lasan’ireo kaompania matanjaka hafa ka voatery nampiato sidina maro, hoy izy, ny Madagascar Airlines. Nangataka fiaraha-miasa tamina kaompania hafa ihany koa ity kaompania ity saingy tsy nahafa-po ny valinteny azo noho ny andraikitra maro sahan’izy ireny. Vokany, voatery nafindra tamina kaompania hafa toy ny Air France, Air Mauritius, Corsair, Air Austral, Ethiopian Airlines ny ankabeazan’ny mpandeha. Fantatra fa maro ny entan’ny mpandeha mbola nivezivezy tamina toerana samihafa vao tonga teo am-pelatanan’ny tompony.
Antitra (sivy taona) avokoa ny ankamaroan’ireo ATR mpanao sidina anatiny ka nampanano sarotra ny fitadiavana ireo kojakoja samihafa mifanaraka aminy. Voatery miandry herinandro maromaro vao tonga eto an-toerana izany kanefa nandray famandrihana toerana sy nividy tapakila tao amin’ity kaompania ity ny mpanjifa, hoy hatrany ny fanazavany. Notohizany fa nisy tamin’ireo mpandeha no fantatra fa tokony hanohy ny diany any ivelany saingy voatery nijanona teto Madagasikara noho ireo antony samihafa voalaza etsy ambony ireo.
Henintsoa H.