Polisin’ala : Mendrika omena hasina

Marihina isaky ny 31 jolay 2023, ny Andro maneran-tany ho an’ny polisin’ala. Mandray anjara amin’izany fanamarihana izany ny ONG Impact Madagascar sy ny mpiara-miasa aminy amin’ity taona ity, hetsika izay eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy (MEDD). Tanjon’ny hetsika ny fanomezana hasina sy ny toerana sahaza ny polisin’ala.
Olona miasa mafy eny ifotony amin’ny fiarovana ny ala, manakana ny olona tsy nahazo alalana miditra ao anaty fon’ala; miatrika ny ambana rehetra avy amin’ny sokajin’olona maro samihafa ny adidy sy andraikitry ny polisin’ala.
Ho fanohanana azy ireo, mikarakara hazakazaka lehibe, eny amin’ny kaominina Mahajeby, ny 16 septambra 2023, ny ONG Impact Madagascar. Tafiditra ao anatin’ny hetsika “Wilflife Ranger Challenge” ity fanohanana ny polisin’ala ity. “Manana fomba fijery lavitra, ny hanana fiantraikany miabo amin’ny alalan’ny fanohanany ny mponina eny ifotony sy ny fiarovana ny zava-mananaina ny ONG”, hoy ny tomponandraikitra. Faritra efatra no iseharan’ny ONG Impact Madagascar: Boeny, Betsiboka, Bongolava ary Vatovavy.

Lin M.

Partager sur: