Lomano. Manoman-tena any Toamasina,
amin’izao fotoana izao, ny ekipam-pirenena malagasy hiatrika ny lalaon’ny Nosy, ho an’ny taranja lomano. Efa herinandro izy ireo izay no nanomboka ny fampivondronana tao amin’ny dobo filomanosan’ny CRJS Toamasina. Hiverina eto Antananarivo ireo mpilomano, mialohan’ny talata 8 aogositra izao.
Kitra Mondial, vehivavy. Nomontsanin’i Japon, tamin’ny isa mavesatra 4 no ho 0, i Espagne. Lalao notanterahina omaly, tao amin’ny kianjan’i Sky Nouvelle Zelande. Marihina fa tafiditra amin’ny andro faran’ny vondrona « C » ity lalao ity. Mitana ny laharana voalohany, araka izany, i Japon raha toa ka faharoa i Espagne.
Lalaon’ny Frankôfônia. Hiditra an-tsehatra rahampitso 2 aogositra, ao anatin’ny lalao afrikanina, any Kinshasa RD Congo, ny taranja Judo. Manana solontena miisa 8 mianadahy hifaninana i Madagasikara. Fifaninanana anisan’ny andrasan’ny maro ny ady hataon-dRasoanaivo Razafy Laura, eo amin’ny sokajy latsaky ny 70 kg.
Hidona amin’ny RD Congo mpampiantrano, anio, ny Ankoay, amin’ny dingana ampahefa-dalana, ny lalaon’ny Frankofonia, taranja basikety, vehivavy. Amin’ny 7ora hariva (9 ora alina eto Madagasikara) no hanatanterahana ny lalao. Tsiahivina, efa tamin’ny ora farany omaly vao fantatra fa ho tanteraka ihany izao ampahefa-dalana eo amin’i Madagasikara sy RD Congo izao.