TARATRY ny KANTO

Mahatratra 16km ny tahiry ao amin’ny Arsi­vam-pirenena malagasy etsy Tsaralalana. Taratasy nifanaovana teo anivon’ny fanjakana efa tany amin’ny taona 1878 no voatahiry ao. Mbola ireo Sakaizam-bohitra tao anatin’ny Imerina enin-toko no nikarakara ireny taratasy ireny. Teo anatrehany no nanoratana ny zaza teraka, ny maty, ny fifanekena ifanaovan’ny olona, sns.
Tontosa ny alahady 30 jolay teo, tany Maha­janga ny Fanilo miampita, faha-60 taonan’ny Fikam­banan’ny mpikabary malagasy maneran-tany. Nosan­tarina tamin’ny diabe namakivaky ny tanàna sy fampitana fanilo ny hetsika. Narahina fianianan’ny filohan-tsapana Fi.Mpi.Ma ary famoahana ny andia « Mena Masôva ».
Etsy amin’ny no comment Isoraka indray ny tarika Zandry Gasy, ny 3 aogositra izao manomboka amin’ny 8 ora sy sasany alina. Anisan’ny mampiavaka azy ireto ny fananana ilay feo mirindra hoenti-mamoaka ny voalazan’ny tononkira. Eo koa ny fampiasana zavamaneno tsotra kanefa manome « endrika » kanto ho an’ireo hira kaloiny eny an-tsehatra.
Manomboka sahirana amin’ny fitadiavana akora fototra fanaovana zavamaneno malagasy ny mpanamboatra izany. Mandany fotoana ela ny fitadiavana sy fampiakarana volobe sy voatavo monta avy any amin’ny faritry Rasaraka (eo anelanelan’i Moramanga sy Ambohimiadana), raha hanao valiha. Tahaka izany koa ny fitadiavana hoditra hanamboarana amponga.

Partager sur: