Hay tsy zava-dratsy sy mahakivy daholo no misy eto Madagasikara ! misy vaovao tsara sy mahavelombolo maro, saingy takon’ny fisainana sy fomba fiaina zary nozarina hiiba. Tao anatin’ny andro vitsy, nisongadina sy nanakoako eran’izao tontolo izao ny tontolon’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina malagasy. Nahoraka ny fandrombahana medaly teto an-toerana, hatrany ampitan-dranomasina rehetra any. Manohina ny fo sy mampipololotra ny fitiavan-tanindrazana.
Zava-dehibe ny medaly, mariky ny fandresena, fa anisan’ny tia havoitra ny ezaka ataon’ny tanora. Raha niparitaka sy nahoraka ny resaka zava-mahadomelina, manginy fotsiny ny fanimbana ankitsirano ny mpianatra tamin’ny resaka laza adina, tsara hasongadina sy hireharehana ny fisian’ireo izay tsy tafiditra anatin’ny vela-padriky ny fahalovana. Modely tsara ho fakan-tahaka ho an’ny tanora toa azy, izy ireny. Rariny sy hitsiny raha hindrahindraina.
Ny indrokely, miaina anatin’ny tsy fahatomombanana sy tsy fahampiana ny ankamaroan’ireo mpikatroka fanatanjahantena sy ny mpanakanto eto Madagasikara. Velona mitsipozipozy, hadino raha mbola any anaty ady. Rehefa misy ny vokatra azon’ny sasany, hireharehana na hi-« werawerana » vao indreny mipoitra ry sakaizan’ny mpandresy. Sintonina dieny izao ny lakolosy, raha tiana ny hampivoatra ny tanora sy hiaro azy ireny tsy hivary lavo.
Ny tanora, hoy isika, no ho avin’ny firenena. Tsy tokony hatao amponga mihantona izy ireny ka dobodobohina raha mahatsiaro, na rehefa misy ilana azy. Ho avy rahateo ny fotoam-pifidianana, maro anisa ny tanora handatsa-bato amin’ireo 11 tapitrisa mahery voasoratra anarana. Mba tena ho raiamandreny hitsinjo ny tanora izay kandidà rehetra hisafidianana eo. Tsy ho mpanao havana raha misy patsa sy hanao fitaovana ny tanora amin’ny tombontsoa manokana.
r.r