Nitrangana lozam-pifamoivoizana teny amin’ny lalam-pirenena faharoa, PK 11+800, Andranomandry, fokontany Ambohitrombihavana, kaominina Ambanivohitra Ambohimangakely, distrika Antananarivo Avaradrano, omaly tamin’ny 10 ora sy 15 minitra. Maty tsy tra-drano vokatr’izany ny mpitondra moto iray. Nidina teny an-toerana avy hatrany ny zandary, notarihin’ny lehiben’ny tobim-paritra nanao ny fitsirihana rehetra, vantany vao naharay ny vaovao. Nilatsaka tao anaty fiara ny findain’ilay mpamily taxi-be, zotra E, mampitohy an’Andravoahangy – Balance Ambohimalaza. Niondrika naka izany izy ka tsy voajeriny intsony ny lalana, nifatratra tany amin’ilay scooter sy camionette nandeha mora sy naka sisiny ka antony nahatonga ny loza, raha ny fanazavana voaray teo anivon’ny zandarimaria eny Ambohimangakely, omaly. Vokany, maty teo no ho eo ilay mpitondra moto. 13 hafa naratra. Nentina avy hatrany eny amin’ny hopitaly manara-penitra ireo naratra rehetra. Nalefa eny amin’ny CHU-JRA noho ny hamafin’ny ratra nahazo azy ny enina tamin’ireo. Raha nalefa nody ny fito ambiny rehefa nahazo ny fitsaboana sahaza azy tao amin’ny “Centre hospitalier de réference de district niveau II” (hopitaly manara-penitra) Ambohimangakely.
Marihina fa nandeha tao anaty lala-mahitsy, avy any Ambohimangakely hihazo an’ Ambohimalaza izy, izao nandona sy nahafaty olona izao. Samy avy any Ambohimalaza hihazo an’Ambohimangakely avokoa na ilay moto scooter na ilay fiara camionnette. Nomena ny fianakaviana ny razana sy ny entan’ilay mpitondra moto rehefa avy nozahana. Tsy nisy ny fitazomana satria maratra mafy ny mpamilin’ny taxi-be. Efa eo am-pelantanan’ny zandarimaria nasionaly eo anivon’ny tobim-paritra Ambohimangakely ny fanadihadiana rehetra.
Mino