ASNAKUFUMABEHMIRAY : namoha ny tantara namotehana ny Kung fu

Feno 38 taona, omaly 1 aogositra, ny namotehan’ny fanjakana ny taranja Kung fu, ny taona 1985. Ho fahatsiarovana sy fanamarihana ity fotoana manan-danja ity, namoha ny tantara ireo mpikatroka fahiny tao Behoririka, izay efa manana ny fikambanany « ASNAKUFUMABEHMIRAY ».

Nasehon’izy ireo, omaly, teny Antsobolo, ny tena atao hoe Kung fu. Nambaran’ny filoha nasiona­lin’ny fikambanana, Ralaivelo­ma­ha­ravo Albert, fa tsy izay nolazaina taloha ny amin’ny maha dahalo ireo mpampianatra no atao hoe Kung fu. Fahendrena sy fahalalana hanompoana ny tanindrazana ny kung fu, hoy ny nambaran’izy ireo. Nanamafy ihany koa ireto mpianatr’i Grand Maître Pierre Mizael ireto fa mbola hiverina io mpampianatra azy ireo, Pierre Mizael, io. Novo­i­zina, omaly ary nolazain’izy ireo ampahibemaso fa io Mizael io ihany no Jesosy Kristy amin’izy ireo. Izany indrindra no anton’ny nanokanana fotoana hamelabelarana izany hafatra tiana hampitaina izany. Nisy ny fikasana ny hanao filaharambe tamin’ny alahady 30 jolay lasa teo, saingy rehefa nosintonin’ny prefektora ny fahazoan-dalana dia nisafidy hanajanona ilay hetsika izy ireo. “Tsy nomena sehatra ary tsy navela hanazava mihitsy izahay”, hoy Ralaivelomaharavo Albert. “Tsy olon-dratsy iny mpampianatra lehibe anay iny fa olona faran’izay tsara, izay namorona hira maro ihany koa”, hoy izy nanamafy.
Tsiahivina, tamin’ny taona 2009 no nitsangana ara-dalàna ity fikambanana ity, rehefa nangataka sy nikarakara izany tao anatin’ny 7 taona. Mano­didina ny 300 ireo mpikambana ao aminy, izay misy hatrany amin’ny faritra. Natomboka tamin’ny fihirana ny hira faneva moa ny lanonana tetsy Antsobolo, omaly, ary nofaranana tamin’ny fialana hetaheta, izay niarahana tamin’ireo mpikambana. Fampianarana eo amin’ny ara-batana, ara-tsaina ary indrindra ny ara-panahy no tena voizina, ao anatin’ny kung fu izay arahin’ity fikambanana ity. Tsapan’ izy ireo ihany koa fa mbola tsy sambatra ny Malagasy, izay tanjona napetrak’i Pierre Mizael ny hahasambatra ny Malagasy ka anton’ny fitakiana hatramin’izay ka hatramin’ izao.

Mi.Raz

Partager sur: