Tahiry taratasy maro. Mety nifandraisana taman’olon-kafa, mety natao teo amin’ny sehatry ny raharaham-panjakana ihany koa. Arsiva avokoa ireny. Fitaovana ilaina amin’ny fampandrosoana.
Afaka manangona ireo taratasy heveriny fa ilaina sy tokony hotahirizina ny tsirairay. Na tsy ho azy (ho an’ilay nanangona) mivantana aza, ahafahan’ny taranaka any aoriana mijery sy mamantatra ary mandalina ny tantara sy izay momba azy ny fisian’ ireny antontan-taratasy nangonin’ny teo aloha ireny. Fanontaniana maro no hahazo valiny. Iza avy ireo loharano nipoirana ? Nanao ahoana ny fiainan’izy ireo ? Aiza sy aiza ny fananana nohariany ? Iza no afaka hamelomaso ireo fananana ireo ? Ahoana ny fiaimpiainan’ny mponina teto amin’ity toerana ity fahiny. Sns.
Ny valin’ireny fanontaniana ireny no ahafahana manainga ny fampandrosoana ho an’ny olona tsirairay, ny fianakaviana, ny fiarahamonina ary ny firenena iray manontolo. Tsy mitsapatsapa intsony fa afaka miala amina teboka efa fantatra, noho ireo antontan-taratasy navelan’ny teo aloha.
Ho an’i Madagasikara manokana, tsy nampiasa soratra ny Malagasy ho tahiry raha tsy tany ho any amin’ny taona 1828. Mbola teto Imerina sy ny manodidina ihany izany raha teo amin’ny raharaham-panjakana.
Telo karazana ny arsiva
Raha ny fanazavan’Adriamihamina Sahondra Sylvie, talen’ny Arsivam-pirenena malagasy, « amin’ny ankapobeny, misy karazany telo ny arsiva. Ny arsivan’olon-tokana. Ny tsirairay afaka manao an’io. Faharoa, ny arsiva afovoany. Ny biraom-panjakana, fikambanana, sns, no manao izany. Ny arsivam-pirenena kosa no lehibe indrindra ». Nambarany fa afaka ary tokony hahay miara-miasa tsara ireo. Notsiahiviny fa efa samy manana ny arsivany ny minisitera tsirairay. Tahaka izany koa ny birao isan’ambaratongany. Ezahina omena fiofanana ny tomponandraikitra amin’ireny sehatra ireny mba ho tsara kajy sy kolokolo ireny antontan-taratasy ireny.
HaRy Razafindrakoto