Tafiditra anatin’ny fampandrosoana ny tontolon’ny fambolena sy ny fiompiana ny hetsika « Foire internationale de l’économie rurale de Madagascar (Fier Mada) 2023 ». Hatramin’ny taona 1999, atao isaky ny voalohan’ny volana aogositra ny hetsika. Maharitra dimy andro ny fier Mada, izay atao eny amin’ny kianjan’ny Maki Andohatapenaka, ny 2 hatramin’ny 6 aogositra izao. Hampivondronana ireo mpisehatra samihafa momban’ny fambolena sy ny fiompiana avy amin’ny faritra samihafa ny hetsika. Hanehoana ny fahaiza-manaon’ireo matihanina isan-karazany, amin’ny alalan’ny fanodinam-bokatra sy ny lalam-barotra samihafa. Indrindra hanehoana ny fampandrosoan’ny toekaren’ny firenena, amin’ny alalan’ny fambolena sy ny fiompiana. Hampiranty ny vokatra mampiavaka azy avy ireo tranoheva manodidina ny 400 avy amin’ny faritra samihafa. Hita eny an-toerana ihany koa ireo vokatra voaodina, ny biby fiompy ary ny asatanana vita malagasy.
Henintsoa H.