Kaominina iray mivelona sy mamelona ary manao fotodrafitrasa ho an’ny vahoaka ao aminy ny kaominina ambanivohitra Sahamatevina. Iray amin’ ireo kaominina 21 anatin’ny disitrikan’i Vatomandry, faritra Atsinanana izy.
Fidiram-bola mivantana sy ngeza ho an’ny kaominina ambanivohitra Sahamatevina ny tamberim-bidy avy amin’ny orinasa mitrandraka grafita ao Marovintsy. Nitsangana sy nitrandraka harena an-kibon’ny tany ao an-toerana, nanomboka ny 1960, izy io. Nilaza ny ben’ny Tanàna, Radimby Voro Dénis, fa “manodidina ny 511 925 939 Ariary eo ho eo ny vola tsy hita popoka na nivily lalana tao amin’ny kaominina ambanivohitra Amboditavolo, izay tokony hiditra amin’ny kitapom-bolan’ny kaominina iadidiany”. Nohamafisiny fa efa nitaraina teo anivon’ny sampandraharahan’ny harena an-kibon’ny tany ny volana septambra 2021 izy. Ankoatra izay, mamoaka rano maloto sy maimbo ny fantsona avy ao amin’ny ozinina Marovintsy. Tonga nijery ny zava-misy sy namaha ny olana tany an-toerana ny talem-paritra, notronin’ny prefen’ i Toamasina teo aloha, ny solontenan’ny governora ary ny lehiben’ny distrikan’ i Vatomandry. Nivoaka nandritra izany, ny fanambarana ireo vola niditra amin’ny orinasa mpitrandraka. “Référence de la déclaration de recette N°467/21-MMMRS/ SG/DIR.To/Ris, ny 09 aogositra 2021, izay nitotaly 503 644 050 Ariary. Mitsinjara ao amin’ ny kaominina efatra misy ny toeram-pitrandrahana. “Nidina ho 3 807 549 Ariary ny anjara volanay, raha nitotaly 85 579 197 Ariary kosa ny an’ny kaominina mpifanolo-bodirindrina aminay”, hoy hatrany ny ben’ ny Tanàna. Nohazavainy fa ny tanànan’i Marovintsy dia fokontany iray amin’ ireo 13 anivon’ny kaominina ambanivohitra Sahamatevina. Alaina ao avokoa ny fitrandrahana arintany, fanamainana, fanadiovana. Taterina kamiao miala ao an-toerana ho any Toamasina izany. Ny fitsirihana, araka izay azo natao, no nahitana fa miverimberina ny filatsahan’ny anjara volan’ny kaominina mpampiantrano ny orinasa mpitandraka harena an-kibon’ ny tany ao Marovintsy, araka ny laharana 09/2022-MMMRS/ SG/DIR.To.Ris, ny 21 febroary 2022. Nitotaly 493 703 747 Ar ny “ristournes miniers”. Teo amin’ny fitsinjarana 73 443 492 Ariary ny an’ i Sahamatevina raha 90 525 519 Ar ny an’Amboditavolo.
Nianoka vola fa tsy misy zava-bita
Nilaza i Zafibelina Léonard Jean Francois, mpikambana anivon’ny filankevitry ny tanàna ao amin’ny kaominina ambanivohitr’Amboditavolo, fa tsy mandeha ny asa fanamboarana ny biraon’ny kaominina, tsy mandray karama ny mpiasa, raha ny eo anivon’ny kaominina ambanivohitr’ Amboditavolo no ambara. Tsy misy vola ny kaominina kanefa nianoka vola avy amin’ny tamberim-bidin’ny fitrandrahana Marovintsy ataon’ny orinasa any an-toerana. Nohamafisiny hatrany fa misy fanodinkodinam-bola eo amin’ny solombavambahoaka sy ny ben’ny Tanàna ao Amboditavolo ary ny talem-paritry ny harena an-kibon’ny tany mikasika ny fanomezana tombondahiny ho an’ny kaominina.
Misy ambadika politika
Tsy vitsy ireo zava-bita sy fotodrafitrasa ilain’ny vahoaka nandritra ny fitondran’ny ben’ny Tanànan’ny kaominina. Mba ho mariky ny tamberin’ andraikitra omena azy ireo satria volam-bahoaka no miasa. Tetezana telo, mirefy 100 sy 200 metatra, mampifandray ny fokontany samy fokontany sy ny renivohitry ny kaominina no vita. Tranon-tsekoly ho an’ny mpianatra katitakely (préscolaire) iray sy CEG eo amin’ny renivohitry ny kaominina. Fahazavana ho an’ny tanàna ary rano fisotro madio. “Manahy ny mety hilatsahako ho solombavambahoaka ireo mpanao politika sasany ka manao antsojay noho ny zava-bita”, raha ny fanazavany.
Tsy misy ifandraisan’ny kaominina mifanila amin’ny kaominina Sahamatevina. Izy irery no manana ny “Certificat de conformité n° 01/17/MEF/ONE/DG/CCF, nivoaka ny 16 janoary 2017 teo, raha ny vakin-tsaritany navoakan’ny “BCMM” extrait de la carte T.U 48. Raha ara-jeografika, ny ranomasina no ao atsinanan’ny kaominina Sahamatevina. Kaominina Ambodivonanto ny ao atsimo, Ambalavolo ny ao andrefana ary Amboditavolo ny ao avaratra mihazo ny lalam-pirenena faha-11A. Manana velaran-tany 590 km tsy mivadi-mandry ary ahitana fokontany 11. Ahitana mponina 11 611, manana EPP 13 sy CEG roa ary CSB-II telo. Manaraka ny lalam-pirenena faha-11 A, 48 km raha avy eny amin’ ny lalam-pirenena faharoa, Antsapanana. 12 km kosa tonga any Vatomandry. Manarama mpiasa miisa 22 ny kaominina ary mandray karama ara-dalàna avokoa izy ireo.
Nanatontosa : Sajo