Norombahan’i Sidonie Fiadanantsoa, vehivavy malagasy atleta, ny medaly volamena voalohany ho an’i Madagasikara nandritra ny lalaon’ny Frankofonia, izay atao any Kinshasa, ny 28 jolay – 6 aogositra. Tao anatin’ny 13”01 segondra no nanaovan’ity atleta malagasy ity ny 100 metatra misy fefy “haies”, omaly, nandritra ny lalao famaranana.
Ankoatra izay, notanterahina omaly ihany koa ny famaranana ny 100 metatra vehivavy, mitana ny laharana fahefatra i Nomenjanahary Claudine, Malagasy atleta. Tonga teo amin’ny tsipika fotsy tamin’ny 11”51 segoandra izy. Ilay Ivorianina, Kone Maboundou no nahazo ny medaly volamena, nahavita 11”24 segondra.
Marihina fa mety hananana fanantenana ny hahazo medaly volamena amin’ny taranja Judo, amin’ity fifaninanana ity ; ny 4 aogositra ho avy izao, Rasoanaivo Laura, Malagasy voalohany maneran-tany amin’ny taranja Judo. Hiakatra “tatami”, ary efa vonona ny hiaro ny voninahi-pirenena amin’ity fifaninanana ity ny tenany.
Fitia