Marofatike Maromiandra : manohana ny tetikasa Base Toliara hatrany ny mponina

Tsy very fanantenana ny mponina ao amin’ny fokontany Marofatike, kaominina Ma­romiandra, distrika Toliara II. Mandalo ao amin’ity tanàna ity ny lalana mankany amin’ny toeram-pitrandrahan’ny orinasa Base Toliara, izay mihantona, ankehitriny. Nisaotra ny sefo fokontany, Rambeloson Mahioky, fa manana finoana izy ireo ny hisokafan’ny tetikasa, satria maro ny tombontsoa azo tany amin’ny distrika Toliara II.
Notsorin’ity sefo fokontany ity fa « maro ny tanora any Marofatike efa niasa ho an’ny orinasa. Resy lahatra izahay fa vao mainka hitohy hihatsara izany rehefa miverina misokatra indray ny tetikasa, raha tsy hilaza afa-tsy ny asa hiforona ».
Hivaha ny olana
Nilaza i Rehida, mpikambana ao anatin’ny Dina kaominaly any Marofatike, fa « nitotongana ny fari-piainan’ny mponina raha vao nihantona ny asan’ny Base Toliara. Mirongatra ny tsy fandriampahalemana sy ny fandripahana ny ala. Voavaha anefa ireo olana ireo raha miverina miasa ity orinasa ity. Hisitraka tetikasa sosialy maro ny mponina, ho vita ny lalana, hahazo tohana ny tantsaha, sns ».
Miray feo i Rebila Remo­sa, mpikambana ao anaty Dina ihany koa, sy i Jean Re­moko, fa « manantena ny ha­nokafan’ny fanjakana ny orinasa Base izahay, satria mila tohizana ny tohana efa nataony. Hitondra fampandrosoana any an-toerana sy ny firenena ity tetikasa ity ».

Njaka A.

Partager sur: